Mizara Fahazavana — Fanabeazana, Fanasitranana, Fampitàna Soatoavina

Ankafaliana no andraisana anao ato amin'ny Mizara Fahazavana

Mizara Fahazavana dia mamelona ny soatoavina, fahendrena, ary fahalalana nentim-paharazana Malagasy. Indrindra ireo mikasika ny fitsaboana avy amin' ny zavamaniry manasitrana, ny fomba amam-panao ara-panahy, ary ny fomba fiainana mifanaraka amin' ny natiora. Tranonkala natao hanabe, hizara ary hitondra fanampiana amin'ny fitandroana ny fahasalamana izy ity.

Tetikasa nateraky ny fanirianay hamerina sy hampita amin' ny taranaka ankehitriny sy ho avy ireo harem-pahalalana malagasy izay efa saika ho adino. Avy amin'ny fifangaroan'ny traikefa, fahaiza-manao, fahatsiarovana ary fahazavana tsapa anaty, dia niara-nanorina ity sehatra ity izahay mba ho fitaratra sy fitari-dàlana ho an' ny rehetra mitady fahasitranana sy fahendrena avy amin' ity nosy Madagasikara ity sy ireo Razantsika.

🌺 Ny Tanjonay

Ny tanjonay dia ny hanangona, hanasoa, ary hampita amin'ny alalan' ny fomba ankehitriny sy voajanahary ireo fahalalana malagasy izay voatendry hisitrika anaty lalina, saingy mbola tena mahavonjy. Izahay dia mino fa ny fitsaboana nentim-paharazana, ny fitiavana zavamaniry, ary ny fanajana razana no fototry ny hery mitondra fanasitranana maharitra.

Miaraha aminay. Mizara isika, mitombo isika. Mahazo fahazavana isika rehefa manome. Ary mitondra fanasitranana isika rehefa miaina ao anatin' ny soatoavina malagasy.

Manasa anao hiditra na hisoratra anarana